Search

LIVRES, eBOOK,
ET LIVRES AUDIO GRATUITS

Le Saint Esprit

Ny Fanahy Masina Izay Mitoetra ato Anatiko - NY FOMBA MAHOMBY HO ANAO MBA HANDRAISANA NY FANAHY MASINA
  • ISBN9788928260027
  • Pages421

Malgache 3

Ny Fanahy Masina Izay Mitoetra ato Anatiko - NY FOMBA MAHOMBY HO ANAO MBA HANDRAISANA NY FANAHY MASINA

Rev. Paul C. Jong

VOTOATIN-DRESAKA
 
SASIN-TENY

Fizarana voalohany – Toriteny
1. Miasa amin’ny teny fikasan’andriamanitra ny fanahy masina (Asan’ny Apostoly 1:4-8)
2. Afaka mividy ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fiezahany ve ny olona iray? (Asan’ny Apostoly 8:14-24) 
3. Moa ve efa nandray ny Fanahy Masina ianao rehefa nino an’i Jesosy? (Asan’ny Apostoly 19:1-3) 
4. Ireo izay manana finoana mitovy amin’ireo mpianatry Jesosy (Asan’ny Apostoly 3:19) 
5. Moa ve maniry ny hanana fiarahana amin’i Fanahy Masina ianao? (1 Jaona 1:1-10) 
6. Inoy fa mitoetra ao aminao ny Fanahy Masina (Matio 25:1-12) 
7. Ilay filazantsara mahafinaritra izay mamela anao hanana ny Fanahy Masina mitoetra ao am-ponao (Isaia 9:5-6) 
8. Amin’ny alalan’iza no mikoriana ny rano velon’ny Fanahy Masina? (Jaona 7:37-38) 
9. Ny filazantsaran’ny Batisan’I Jesosy no nanadio antsika (Efesiana 2:14-22) 
10. Mandehana araky ny Fanahy! (Galatiana 5:16-26, 6:6-18) 
11. Ny fomba hitehirizana ny fiainanao amin’ny fahafenoan’ny Fanahy Masina (Efesiana 5:6-18) 
12. Ny fomba hiainanao ny fiainana amin’ny fahafenoan’ny Fanahy Masina (Titosy 3:1-8) 
13. Ny asa sy ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina (Jaona 16:5-11) 
14. Inona no fibebahana Marina izay mitarika antsika mba handray ny Fanahy Masina? (Asan’ny Apostoly 2:38) 
15. Afaka mandray ny Fanahy Masina sy itoerany ianao rehefa mahalala ny marina (Jaona 8:31-36) 
16. Ny Iraka ho an’ireo efa nandray ny Fanahy Masina (Isaia 61:1-11) 
17. Tsy maintsy manana finoana sy fanantenana an’ny Fanahy Masina isika (Romana 8:16-25) 
18. Ny Fahamarinana Izay Mitarika anao ho amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina (Josoa 4:23) 
19. Ny filazantsara mahafinaritra izay naharovitra ny voaly tao an-tempoly (Matio 27:45-54) 
20. Ireo izay efa nahatsapa fa itoeran’ny Fanahy Masina no hitari-dalana ny hafa koa mba handray ny Fanahy Masina (Jaona 20:21-23)

Fizarana faharoa – Fanampim-panazavana
1. Fijoroana vavolombelona momba ny famonjena 
2. Fanontaniana sy valiny
 
Ao amin’ny Kristianisma ankehitriny, dia ny “famonjena amin’ny fahotana” sy “ny fonenan’ny Fanahy Masina” no tena resahina matetika. Vitsy anefa ny olona manana fahalalana marina momba ireo hevitra roa ireo, na dia izy ireo aza no foto-kevitra roa lehibe indrindra ao amin’ny Kristianisma. Ny tena ratsy dia tsy mahita soratra ara-baiboly mampianatra antsika mazava momba ireo olana etsy ambony isika. Betsaka ny mpanoratra kristiana nankalaza ny fanomezam-pahasoavan`ny Fanahy Masina na nitantara ny fiainana feno Fanahy. Saingy misy amin`izy ireo tsy sahy miatrika ilay fanontaniana fototra manao hoe: "Ahoana no hahazoan`ny mino ny Fanahy Masina?" Nahoana? Ny tena mahagaga dia tsy afaka nanoratra momba izany tamin`ny ambaratonga feno izy ireo satria tsy nanana fahalalana marina momba izany. Araka ny niantsoan’ny Mpaminany Hosea hoe: “Ringana ny oloko noho ny tsy fahampian’ny fahalalana”, amin’izao andro izao dia tsy vitsy ny Kristianina voasarika ho amin’ny fahafanam-po ara-pivavahana, manantena ny hahazo ny Fanahy Masina. Mino izy ireo fa handray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fahatongavana amin’ny toe-javatra mikorontan-tsaina sy hysteria. Tsy manitatra anefa ny filazana fa ny finoan’izy ireo dia mampihena ny Kristianisma ho lasa Shamanisma marivo, ary avy amin’i Satana ny fanatisma toy izany. Ny mpanoratra Rev. Paul C. Jong dia sahy mitory ny fahamarinana. Miresaka momba ireo lohahevitra tena ilaina amin`ny ambaratonga feno izy, izay nolavin`ny ankamaroan`ny mpanoratra ara-panahy nandritra ny fotoana ela. Nofaritany aloha ny dikan’ny hoe “ateraka indray” sy “ny fonenan’ny Fanahy Masina”, ary manazava ny fifandraisana tsy azo ihodivirana eo amin’ireo foto-kevitra fototra roa ireo. Avy eo izy dia mitantana ny famaritana rehetra momba ny Fanahy Masina, manomboka amin`ny "ny fomba hamantarana ny fanahy" ka hatramin`ny "ny lalana mankany amin`ny fiainana feno Fanahy". Raha mila fanazavana fanampiny dia manoro hevitra anao ny mpanoratra mba handinika ny votoatin`ity boky navoaka amin`ity pejy ity.
Téléchargement eBook
PDF EPUB
Livre imprimé gratuity
Ajouter des livres au Panier.

Livres liés à ce titre